SEHATRY NY ANKIZY

KITONONA sy LALAO

Samy nanana ny fiantsony azy itony hirahira mifamaly itony.
Heno maningatsingana  any andohasaha any, ifamaliana  amin'ilay  diavolana fenomanana iny na eo amin'ny takariva amorom-patana. Izany no fahiny nanabeazan'i bebe sy dadabe fony fialamboly.
Mikarantsana ny  feon'ireo zazabodo miana-miteny maka tahaka ny hiran'ny zoky.
Isan'ny fanabeazana nahomby nikolokoloan'ny Ntaolo ny lanjan'ny teny sy ny fifandraisana mantsy ny kitonona ankira ka sady lalao no mampifamatotra  fihavanan'ny ankizy ary  ataoko fa vitsy ny tsy mbola nitononona ny "Nankaiza ny tanteliko teto!" raha mbola ankizigasy koa.
Hitanisa kitonona vitsivitsy nampitain'ny lovantsofina isika, hampitaintsika koa ny taranaka ho avy.
(Mety ho samihafa ny fomba nampitaina azy ho an'ny tokatrano tsirairay fa ny votoantiny dia mitovitovy ihany)                                        

Nankaiza ny renin-driako ô?

      Lasa any amoron’ny ala.

Naninona any  amoron’ny ala?

      Naka ravi-bonaika.

Atao inona ravi-bonaika?

     Tafian’ny zanak’andriana.

Ndeha ho aiza  ny zanak’andriana?

      Ndeha hihaino kabary.

Ahoana kabarin’andriana?

IZAY MANGALATRA HONO GADRAINA

IZAY MAMONO OLONA KOSA VONOINA.

 

Zavavy e zavavy e!
  Ahoana e ! ahoana
Nankaiza e nenin-driako!
Lasa izy e, natsaka
Ka raha maty any izy atao inona
Fonosana ravitatamo
Ravitatamo ve hahafono azy 
Fa lambamena vao mahafono azy.

Very vakana aho zavavy 
 Vakana inona ho aho zavavy
Jijikely ho aho zavavy
Tsy mahita ho aho zavavy
Kilalaoko omeko andry!!
 Indry kely sopatra io.

[Misy kosa ireo manonona hoe:
Nankaiza e! vadin-driako
Lasa izy e! nandrato a!]
 

  Inona no atao fehiloha?

    Voninkazo ao an’ala.

Inona no atao samboady?

    Lamba ihany fa tsara.

Ka mety va izao, tsara va izao!!

    Metimety sady tsara tokoa.

 

Mandrosoa re ! atrakao ny lohanao

Mitehafa mandihiza !

Mety va izao, tsara va izao.

      Metimety mendrika hianao.

          
 

Iza iry ambony iry?
         Izaho ihany ity
Firy ny atodin-dry?
Telo sy efatra ihany.
Mba omeo iray ary aho, 
raha mba mikotrika indry?
Mikotrika ihany aho
 fa tsy mahavanona

Ny akoholahy mitsoka mozika.
Ny akohovavy manao riorio.
Ny akohokely  manao  kiokio.
Kiokio kio, tandremo lahy 
Kiokio kio

Eo ambony felatanana)
Nankaiza ny tanteliko eto ô!

    Lanin’ny vitsika

Vitsika inona ô !

    Vitsikambo

Kambo inona ô !

    Kambo sola

Sola inona ô !

    Sola paika

Paika inona ô !

    Pai-drora

Rora inona o !

   Rora vazana 

Vazana inona ô!
   Vazan’omby 

 

 

Omby inona ô !

    Omby rana

Rana inona ô!

    Rana sofina

Sofina inona ô!

   Sofin’omby

Omby inona?

    Omby Rana

(Mitety ny tanana amin'izay)

Teto izy nihinam-bary tsy nanome ahy,

Teto izy nisotro rano tsy nanome ahy;

Teto izy tratran’ny orana!!!!

Tato izy nialokaloka e!!! (ambany helika io)

 

MAMERINA ISA 

ISAn'
ROA
TELO
EFATRA
DIMY
ENINA
FITO
VALO
SIVY
FOLO
   

 

AMONTANA
AVIAVY
FANGADY
ROFIA
EMBOKA
MANGAMANGA
PARAKY
TANATANANA
RONGONY
FANOLEHANA


 

Andriamaintibe ny papango
Kely mpitsoka farara ny takatra
Kely mpamalifaly ny vanja
Kely mpandatsaka aina ny bala
Lava tanana tsy miasa ny foza
Bodokely matavy ny toho


RENY SY NY AMBOADIA:

Reny : Avia avia izay zanako o !
Zanaka maro: izahay matahotra o!
(Miafina ny zanaka rehetra amin'io)
Reny: matahotra inona o!
Zanaka maro: matahotra amboadia o!
Reny: aiza izy o! (miafina koa ny reny amin'io)
Zanaka maro: io izy o.
Reny: inona no haniny o!
Zanaka maro: vary masiso o!
Reny: inona no sotroiny o!
Reny: rano masiso o!
Reny : AVIA AVIA IZAY ZANAKO FA TSY MANINONA IZY O!
Nivoaka ny fiereny ny ankizy, nanenjika ny amboadia.
Tezitra be koa ny renin’ny ankizy dia fanenjika be amin’iny diavolana iny.



Toto-katsaka andranomparihy e! aiza ho anay zokinareo a!
Valiny:Tsy omenay zokinay a!
Toto-katsaka an-dranoparihy e! aiza ho anay reninareo a!
Valiny: Tsy omenay reninay  a!
Toto-katsaka andranomparihy e aiza ho anay zandrinareo a!
Valiny: Tsy omenay zandrinay a!

Vahiny: Vaky ny siniko
Mpifanadrina: Avelao vaky any
Vahiny: Bedin'i dada sy neny aho izao !
Mpifanandrina: avelao ho bedy any
Vahiny: very ny lambako !
Mpifanandrina: avelao very any
Vahiny: aiza ny lalako atsy sa ary ?
Velarin’ilay ankizy  ny felatanany; rorainy dia mandrora eo izy, mipitika ny rora ary izay ipitihan’iny dia mirohotra makany ny ankizy sady miantso hoe: ARY!!!!

 

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-

Miverina eny ambony



Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement