SEHATRY NY ANKIZY

Ipelamanankofaka


  IPELAMANANKOFAKA (na IPELAMANANDRAMBO)

Karazambiby vehivavy manandrambo izany Ipelamanakofaka izany,  ankizy sy biby mirenireny no fototsakafony. Tsy dia matanjaka loatra anefa Ipelamanakofaka fa rehefa alina sy matory olona iny izy no mihaza.
Bevohoka hono ny renin'Ifaralahy fetsifetsy, faly aok'izany Ifaralahy ka nanotany ny reniny:

-"Inona ry neny no mba maharatsiana an'i Neny amin'izao"
-"Te-hihinana ny rambon'Ipelamanakofaka aho"
hoy reniny , "nefa tsy hitako izay olona afaka mitady izany fa tsy azo atonina io bibibe io."

Tapakevitra Ifaralahy fetsifetsy rankizy fa haka ny rambon'Ipelamanakofaka ho an'i neniny.
Antsikely iray monja no mba nentiny sy volavolambary atao sakafo.
Nony nandeha elabe dia tonga tao amin'ny tranon'ilay biby Ifaralahy. Efa hatory ilay biby fa hariva ny andro, ary fantatry  Faralahy fa tsy sahy hihinana azy izy raha tsy matory , fa matahotra zaza mitsipatsipaka  Ipelamanakofaka.
Nilaza i Faralahy fa tratra hariva tany antsaha ka tsy mahita hatoriana, faly Ilay biby ka nanaiky ny hampiatrano azy sady nanao anakampo hoe :

-"Ela ny ela ka ny sakafo indray ity no mandom-baravarana, miammm..!"

Nanamboarany fandriana tsara Ifaralahy.
Tsy nety matory anefa Ifaralahy fa mikofokofoka , nilaza tamin' Ipelamanakofaka izy fa feno bibikely ny fandriana.
Notsofin'ipelamanakofaka daholo ny lamba niirakofan'Ifaralahy. dia nasainy natory izy.
Fa mbola nikofokofoka ihany Ifaralahy. 
Nolazainy an'Ipelamanakofaka fa mitabataba loatra ny renirano eo akaikin'ny trano, ka tsy mampahita tory azy.
Nivoaka Ipela naka ny  vato rehetra eraky ny tanety sy tendrombohitra nanatotofana ilay renirano.
Mbola tsy nety natory ihany ifaralahy, fa nilaza mangetaheta.
Satria moa efa ritra ny renirano dia lavitra be vao misy loharano hatsakana, alohan'ny nandehanan'ilay biby haka rano hosotroiny dia noloahin'Ifaralahy ny voatavo fatsakana, fa voatavo no siny fakana rano tamin'izany .
Nony nitondra ny rano nody ilay biby  dia very andalana daholo ka tsy nisy tonga tany antrano.
Nihira hono Ipelamanakofaka:

   -"Faralahy fetsifetsy o!  Faralahy fetsifetsy! 
   Ny voatavo noloahin-droky any hoa 
   Ka tovoziko iray mibononoaka (very) 
   Tovoziko iray mibononoka ah ah
!".

  
Namaly ankira ifaralahy hoe :
  "Tovozy miadana ihany re! 
    Ry neniko Rampela !!"

Nivezivezy nitatitra rano teo Ipelamanakofaka nefa any atsasa-dalana dia ritra ny voatavony. 
Farany reraka izy ka niala sasatra kely  teo amoron-dalana, kanjo raikitory teo.
Rehefa tsy nandre azy nihira intsony Ifaralahy dia nivoaka ny trano nitady ity Bibibe.
Notapahiny hono ny hofany ( rambony ) dia lasa izy nitsoaka.

Faly aok'izany reniny fa nampoiziny fa nohanin'Ipelamanakofaka tany zanany.
Nandrahoina ny hena.Andro vitsy taorian'izany dia nahazo  zandrikely Ifaralahy.

Angano angano, arira arira.

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement