SEHATRY NY ANKIZY

Haavo sy halalina

HAAVO sy HALALINA FANDREFY MALAGASY
   

Tsy ny malagasy ihany no nanao ny rafitry ny vatana ho fitaovana enti-mandrefy fa firenena maro toy ny eoropeana, ny ejiptiana fahiny... Ny hakiho na “coudée” (tsindrio)  ohatra dia efa nisy an'arivo taona tany taloha tany.Io no venty nomena an’I Noa anaovany ny sambofiara ary voarakitry ny Baiboly:
Genesisy 6:15'16:
"Ary toy izao no fomba hanaovanao azy: hakiho telonjato ny lavan' ny sambofiara, hakiho dimampolo ny sakany, ary hakiho telopolo ny haavony. "Ary hasianao varavarankely ny sambofiara, ary amin' ny hakiho iray no hahavitanao azy eo ambony; ary hasianao varavarana ny rindriny; hasianao efitra ambany indrindra, sy faharoa ary fahatelo izy. "
Ny taona 1791 no namoron'ny mpikaroka frantsay ny metatra, niparitaka eran-tany ary taona maro taoriana vao tonga teto Madagasikara
 
NY FAMARITAN'NY MALAGASY NY HAAVO: olon-dehibe no ilaina amin'izany.(tsindrio sary)

 

                                                                 
Ny dikan'ny rangavina dia takarina. Fiteny ny hoe: "avobe rangavina" (mila tsy ho takatra)  na ny hoe "rangavina ilay olona" (olona lavabe)  

Halalina
Hatreo amin’ny:
Ampaladia , hafaladia
-faladia
Ankitrokely, hakitrokely
-kitrokely
Mamatodranjo, ankibondranjo
-atsasaky ny ranjo na kibondranjo
Andohalika, halohalika
-lohalika
Mamatope
-atsasaky ny fe
Hafotope, ampotope
-fotope
Ambalahana, havaniana, havalahana,ampisalakana
-valahana izay famatorana salaka.
Hafoitra* -foitra*
Ambavafo
-ambanin’ny nono
Ankelika, hahelika
-helika
Hatenda
-tenda
Mandifotrolona, mandifotra
-antampon’ny loha
Rangavina, rangasina
-faritra avo indrindra azo takari-tanana

-* Ny havalahana sy ny hafoitra dia haavo roa mifanakaiky ka matetika atambatra ho iray ihany.
-Fiteny ihany koa ny : hamaso (eo amin'ny maso), haorona, havava, hasaoka.
-Hatreo amin’ny mandifotrolona dia indroa mandifotrolona, intelo mandifotrolona… Mahatonga ny fitenenana: «alevina impito mandifotrolona ».

 -Ny «TSY HITA NOANOA », ny « TSY HITA PESIPESENINA », ny TSY HITA POLOPOLORINA », ny “TSY TAKA-POLOPOLORINA” dia ampiasaina rehefa tsy manana fahataperana ny halalina na ny haavo.

Miverina eny ambony

 

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement