SEHATRY NY ANKIZY

FANIRY


 Neny o ! hoy Raivo, zazavavy kely 7 taona, tsy avelan'ny ankizy miara-milalao aminy aho fa lazainy mikitika ny kilalaony.

Mangotika anie izany ny fon-dRanivo mihaino izany, fantany tsara fa noho i Raivokely tsy manana kilalao fa tamaboho namboarina no mahatonga azy hitsiriritra na hikasika fotsiny ny kilalaon'ireo ankizy toa azy.
Fa ny tena ratsy fanahy tamin'ireny ankizy ireny dia i Mavo zanaky Razaozy mpiomby omby. Matetika darohany i Raivo nefa tsy sahy milaza izany ny reniny anefa fa miaritra. Fantany mantsy fa tsy avelan-dRamatoa mivoaka intsony izy raha henony izany.

Indray hariva nilalao nifanala hazakazaka ny ankizy tao antanana. Rehefa io no lalao atao dia ekeny ny hilalaovan'i Raivo satria izy no ataony boka ( ny boka dia ilay mpanenjika ) tamin'ity indray mitoraka ity anefa tsy niafina ireo ankizy fa nobotsinin'ilay zanaky ny mpiompy omby manankarena hody hoe: 

-"Aleo io hitady mandrapahariva ny andro  eo, fa efa lazaina tsy hiara-milalao amintsika mbola nefa misisika ihany. Ndana mody daholo"

Nitady i Raivo ka nitady , lasa nanatona ny moron'ala mihintsy izy sao miery any ireo namany.  Taitra anefa Rakalakely, nahita voronkely naratra nianjera tamin'ny lalany : 

-"
Andeha entiko mody ity sao hanin'ny bibidia eto", hoy izy. 

Ka nesoriny ny lambany dia namonosany ity voronkely.

Ny alina tontolo dia tsy natory  loatra Raivokely fa nanasa ny fery sy nanome varifotsy sy rano ity vorona, ny tra-maraina  raikitory tamin'ny tany teo izy.

Tsy teo intsony nefa ilay  vorona fa lahiantitra manjelanjelatra no hitany. 

-"Olona tsara hianareo mianaka, ka omeko valisoa. Izay zavatra raisinao voalohany anaka, dia hitombo inarivon'ny habeny."

Nanjavona ilay lahiantitra nony avy niteny izany; Tsy azon'izy mianaka mihintsy anefa ny tian'ilay lahiantitra lazaina, izireo koa mbola ankon'ny tahotra sy hagagana.
Nony elaela dia hoy reniny:

-"Tsy misy hohanina intsony isika anaka, ka andeha hatakalo ny vakana volamena, hany lova sy harenantsika mianaka voatahiry, ka ny atsasany ividianana vary ary ny atsasany ividianana reniakoho hompiana"

Vao noraisin-dRaivo anefa ny vakana dia nitombo , nitombo : vaingambolamena lehibe no niafarany.

Lasa mpanakarena tery izy mianaka.

Nony nahita izany ireo ankizy niavonavona taloha dia nanjary ninamana ery, indrindra fa ilay zanaka mpiompy omby. Nofotopotorany ery  i Raivo ny antony nampanakarena azy.

Nanomboka tamin'izay dia mivezivezy takariva eny amoron'ala ny anao vavy, ka indray andro tokoa nahita vorona naratra izy.

Nentiny nody ny vorona ary nomeny ny mpanompony hodioviny sy omeny varifotsy fa izy kosa lasa natory.

Nony maraina dia niova ho lahiantitra tokoa ilay vorona, ary nanao veloma.


-"Nahoana no tsy omenao tahaka ny nomenao an'i Raivo aho", hoy izy vinitra.

-"Eny ary, hoy ilay lahiantitra, nefa tsarovy fa tsy izaho no nangataka fa hianao"

Nibitaka aok'izany Rakalakely ka tsy nanao veloma akory.

Efa nanomana ny firavaka volamena lehibe indrindra tao antrano izy horaisiny, no niditra ny trano ny sakany. 

-"Andehana ity mandeha any" hoy Mavo ankatezerana, sady noraisiny hatsipy eo ambaravarakely ilay saka.

Fa nitombo ilay saka ka lasa bibibe tsy omby trano, tsy vitan'izany fa noana ity biby ka nivoaka nankeny ambala. Nohaniny ny omby. Ny omby sasany tsy laniny niriotra nandositra tany anala fa natahotra.  Rehefa ringana ny omby teo dia lasa niriotra tany anala ity bibibe hanenjika ireo sasany nandositra, ary maty voky tany no niafarany.

Tonga nahantra dia nahantra ry mavo sy ny fianakaviany, fa foana ny omby foto-kareny.

Menatry ny olona izireo nohon'ny fiavonavony taloha ka lasa nifindra monina lavitra.

"Nenina tokoa tsy aloha fa aoriana, ka manaova ny tsara mandrakiriva tsy ho diso faniry".




Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-

 Miverina eny ambony

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement