SEHATRY NY ANKIZY

FANANIMPITOLOHA

  FANANIMPITOLOHA
        Angano feno anatra momba ny fitiavana ny ray amandreny


Araky ny finoan'ny malagasy amin'ny faritra sasany eto Madagasikara hatramin'ny faha-vazimba. Ny fanahin'ireo olombe rehefa maty dia mifindra monina ao amin’ny fananimpitoloha na fanany. Karazambiby mandady toa bibilava izy io ary manana loha fito. Raha mbola kely ny fanany dia iray ihany ny lohany, ary mitombo isa tsikelikely izany. Raha sendra misy fananina na fanany miaka-bohitra hono. Dia asaina hipetraka eo ambony vatolahy izy ary tanisaina eo ny anaran'ny razana « I Ra-anona ve ianao ?» ka raha voatonona tokoa ny anarany dia miatoka loha ilay biby. Osorana menaka izy, dia amonoana omby ary ampisotroana tantely: fambara tsara ho an'izay isehoany hono izireny mitovitovy amin'ny biby atao hoe "hydre" . 

  
Nananjanaka telo mirahalahy Ratataovinarivo, andriana tompomenakely. Tany amin'ny vohitra iray atao hoe Anjozoro, amin'ny faritry vakinakaratra betafo.
Andriamatoa dia nambinina, izay noraisin'ny tanany toa mivadika ho harena daholo, hany ka hipokipoka ny valan'ombiny niadanan'izy sy ny ankohonany. Andrianaivo nanambady zanak’andriana mpanefoefo: tovolahy sarotim-boninahitra fatratra. Ifaralahy kosa toa niangaran'ny vintana indrindra, intelo nanorina trano izy fa ravan'ny orana hatrany. Ary indroa ny vary bevohoka no nofafazan'ny havandra. 
Matetika mila indrafo amin-drainy Ifaralahy ka nankahalain'izy roalahy zokiny fa nataony hoe: handripaka ny lova. Ny hany tena harena tsy mahamena-mitaha azy amin'ny rahalahiny dia I Vonifanja vadiny: tovovavy tsara tarehy sy manam-pahendrena, novadiany nohon’ny fitiavana. 
Narary Ratataovinarivo, nony tsapany fa nihombo ny aretina dia nampiantso ny zanany telo mirahalahy izy:
 
-"Avy ity raoanaka ny hodiako, afapo aho fa niangaran-Janahary ka nomeny anareo hamelomaso. Fa izao iky, ny alina telo mifanesy aorian'ny fandevenana ahy dia mifandimbiasa ianareo zanako hamelona afo eo ny varavarampasako, fa hiofo aho ka sao misy fanahy ratsy manasampona izany diako izany". "Ny amin'ny lova, hoy ihany izy, dia efa voasoratra ela, miandry herinandro rehefa milamina ny zavatra rehetra. Dia hambaran'ny ombiasy anareo ny fizarana azy ». 

Maty tokoa Rangahy, nanetriketrika ny fandevenana fa olombe no lasa, ka henaratsy moa izany no nozaraina isantokatrano. Ny alina voalohany dia nifampiera izy telolahy:

-"Aoka ialahy ry Ifaralahy no hanomboka voalohany", hoy iretsy zokiny, nefa inona fa nentin'ny tahotra izireo sao misy zavatra mitranga tokoa. Indrindra tsy misy atahorany ny rainy intsony fa ny zaralova efa vita.

 Avy ny orana tamin'io alina io ka nisalotra ny sarotrony Ifaralahy hamonjy ny anjara aliny. Nony mamaton'alina nitsoka mafy ny rivotra, toy ny nisy tadio nihodidina ny fasana ka maty ny afo. Rehefa nitony ny rivotra dia kivy Ifaralahy fa nentin'ny rivotra ny sarotrony, ka tsy hitany velively nony maraina. Nanotanian-jokiny izy ny atoandro ka hoy izy:

 -"Tsy nisy inona moa ry zareo fa ny rivotra no namely ahy teny ka lasany tery ny sarotroko.» 

Avy hatrany dia niangavy an’Ifaralahy Andrianaivo: 

-«Tsy tia ilaozana alina ny vadiko hoy izy fa zanak'Andriana ka andeha ihany hianao ry Ifaralahy misolo ny anjarako.»

Nanda Ifaralahy satria I Ravony vadiny dia bevohoka miandry andro, nefa nony nilatsaka tokoa ny alina mahimahina ny toetran'Andrianaivo izy ka lasa nisafo teny ampasana. Ka inona no teo? Mangina ny fasana fa tsy nahaleo ny vadiny Andrianaivo. Tsy nisalasala Ifaralahy fa naleony nijanona teo nanantanteraka ny hafatry ny rainy. Kinanjo nony misasaka ny alina, nifofo ny rivotra, niverina indray ny tadio ka nindaosiny ny lamba nisampiany. Hatsiaka moa izany ny azy mandrampaharaina ny andro.
Ny ampitso dia tonga Andriamatoa niangavy azy hisolo ny anjara aliny fa :
 
"Tsy azo ilaozana lehitsy ny omby ambalako, ka soloy ny anjarako"

Nanaiky Ifaralahy. Nony mamaton'alina dia niverina indray ny rivotra sy ny tadio, na niaro tena fatratra aza Ifaralahy dia akory ny hakiviany fa ny salakany mihintsy no nindaosin'ny rivotra. Marain'akoho dia nanao tongotra ankatoka nody izy ka akory ny hafaliany fa tera-dahy tamin'io alina io Ravony vadiny. 
Niherina ny herinandro nahafatesan'i Ratataovinarivo, novorian'ingahy Mpisikidy ny mponina sy ny havana akaiky hiara-mihaino ny didim-pananana; fa izany hoy izy no hafatry ny maty. 

-« Izao no hafatry ny maty, hoy ny mpisikidy: mananjanaka telo aho, ary tsy hataoko misy tombo sy hala: 
Izay zanako nanome ny sarotrony ho ahy dia omena azy ny fahefana, ho henikaja sy ho to-teny izy ary ho tompomenakely fa efa vita eran'ny Mpanjaka. Izay zanako nanome ny lambany ho ahy dia omeko azy ny trano valozoro sy ny momba azy. Ary izay zanako nahafoy ny salakany ho ahy dia indreo omeko hiariany ny omby ambala sy ny omby antanety. Ny tsipitipitimanga kosa dia hozarainy mitovy.»
 

Tsy nisy nahateny izy telolahy satria araky ny fahatsiarovany dia tsy mbola nangataka ireo taminy ny rainy fony fahavelony. Niparasaka kosa anefa ny tany, ka nivoaka avy tany fananimpitoloha iray : misarotro sy mitafy ary misalaka. Teo vao tsaroan'Ifaralahy ny anton’ny rivotra isan'alina. Tsy iza io fa Ratataovinarivo ihany, nihohoka ny vahoaka. Nindraman'ilay nody razana ny vatan'ilay mpisikidy hahazoany miteny, ka nanambara izy hoe: 

-" Izao manko ray vahoaka, tsy nivonona hanao zara-mitanila aho nefa hafa ny fandaharana. Ka raha ho an'Ifaralahy ny fiandrianana handimby ny anarako satria azy ny sarotro, ho an'Ifaralahy ny trano sy ny momba azy satria azy ny lamba, ary an'Ifaralahy ny omby sesehena fa azy ny salaka. Tsy naleon'Andriamatoa ny Ombiny aho, ka soava tsara izy miaraka amin'ny ombiny. Tsy naleon'Andrianaivo nohon'ny Vadiny aho ka soava tsarà izy ho eo anilany: Ka io ialahy Ifaralahy, tsy resitondromaso aho ary niteraka tokoa.  Koa raiso ny lovan'ialahy, ary ampitondray ny anarako ny zanak'Ialahy.

Novonoina ny omby, nomena ilay biby ny rany. Nosorantantely izy dia nosokatra indray ny tany dia lasa ilay Fananimpitoloha. Natao ny hariva io ihany ny fanandratana an'Ifaralahy ho tompomenakely. Nangaina Andriamatoa sy Andrianaivo saingy atao ahoana moa ? Hany ka nitsimotsimona nody namonjy ny vadiny sy ny ombiny. 
To-teny sy feno fanahy fatratra Ifaralahy ka nitombo voninahitra sy harena ka niadana ny vahoaka. 
Ka raha mbola mahita olona mitondra anarana hoe Ratataovinarivo ianareo, anotanio ihany fa mety taranak'Ifaralahy izay. 

Fanazavana:
Tompomenakely: Olona tendren'ny mpanjaka hiadidy faritra iray  ka lasa karazana solontenany ao: lanjaina sy hajaina (Noble)
Sarotro: karazantsatroka lavalava fanaon'ny olona aro-orana fahiny.
Henaratsy: raha mamono omby ny olona rehefa misy maty ka zaraina: ireny no atao hoe henaratsy.
Tadio: misy finoana malagasy fa raha saronana haro na ireny tadio ireny dia karandoha no hita ao, ary raha arahina ny dian’ny tadio dia miditra any amin’ny fasana

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
miverina eny ambony