SEHATRY NY ANKIZY
 
  MANDROSOA
  RAFARALAHY RAMIANTRA
  REFY MALAGASY: halavana
  REFY MALAGASY: haavo sy halalina
  FAMATARANANDRON'NY NTAOLO
  ANGANO
  ANKAMANTATRA
  ANKAMANTATRA sy FAMPANONONANA
  ANKAMANTATRY ny NTAOLOZANDRINY
  MAHALIANA: fantatrao ve?
  KITONONA MALAGASY
  MADAGASIKARA
  TANTARA TODIKY NY LASA
  MPITONDRA 1787-2010
  -RANAVALONA III
  ARIRA
  ASASAINA
  ASAMARIKA
  MITSIKIA
  LALAO ANKIFIDY
  FEE
  JEUX
  OHABOLANA
  NY MOMBA NY NAHATERAHANAO
  ANATRA (+12 taona)
  KAJIO NY HABE ARA-PAHASALAMANA
  BFM TV vaovao mivantana any Frantsa
  Maminany ny solosaina
  GALERIE
  Espace membre
MSN, HOTMAIL,live.fr
TRADUCTION EN LIGNE: texte ou site en entier
HITADY VIDEO:hira,hehy

MANDROSOA
Ny olombelona toy ny fototr’akondro : ny LEHIBE manaloka ny ZANDRY ary ny KELY manotrona ny ZOKY

 






Nous sommes heureuses de vous recevoir sur notre site dédié aux enfants.
Vous allez pouvoir découvrir divers aspects de la culture malgache, ou retrouver une partie de votre enfance.
Nous vous remercions de votre visite."
  

Raha angano sy ohabolana, ankamantatra sy lovatsofina , takariva amorom-patana 
no namolavola ny ankizy malagasy tany aloha. 
Dia toy ny  rivotra iainana eo amintsika ankizy  ankehitriny ny haino amanjery sy ny solosaina.
Na inona na aiza hanabeazana ny ankizy malagasy dia tsy tokony adinoina ny loharano nihaviany.

                                                                 Andy sy Feno

Ity tranonkala ity  no natao dia mba hahafahana migoka  ny hatsaran'ireny fanabeazana taloha ireny, na ho fialamboly fotsiny aza, ary koa hahafehy ny zotran'ny fivoarana amin'izao vanim-potoana izao: hiara-mitsiky, hiaraka hiala voly, hiaraka hiasa saina.
Dia hifampizara ny mahasoa sy mahafinaritra.
                                                                                                                 

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY ZON'NY ANKIZY NY 20 NOVAMBRA
Toy ny zavatra mandeha ho azy ao antsain'ny olon-dehibe  ny fananana ANKIZY: izany hoe
fananana ZO hanana ankizy.
Koa raha heverina fa zo ny hanana ankizy dia tokony tadidiana mandrakariva koa fa safidy sy fahasoavana noraisina izany ary sombin'ny aina.
Toy ny hazo vao mitsimoka, koloina  raha tiana hidoroboka sy hitombo.  Mila fiarovana, fanabeazana ao anaty fitiavana ny ankizy fa sanatria tsy ho lasa fitaovana, na ho fototry ny fanjerana ny fahatezerana sy fahasorenana noho izy ireo mbola marefo. 
Ary marobe ny ankizy tsy manam-piaro no miaina ao anatin'ny tontolon'ny tahotra sy fanambakana.Izany no nahatonga ity andro iray ity: "arovy ny ankizy, ampio ny ankizy iharan'ny tsy rariny".

Na tsy ara- bola na harena aza fa fanovana ny fomba fijery ireny ankizy mahantra ireny, ka tsy hitsara azireo befahatany. Ny fo manam-pitiavana ihany no mahay mizara.

1-Raha misy mitaraina
    Ankizy iray miferin'aina
    Moa hihaino moa ny maro ? 
    ka hitondra teny mamy sy hijoro mba hiaro?


2-Zava-tokana tsarovy
    Aina toa anao ireny, tsy nifidy ny ho velona 
    Fiangaviana: "mba arovy "
    Ireo zo sy fifaliany: voaloto sy voatelina.


3-Misaora fa  ny tenanao
     Nosoavin'ny mpahary: sambatra miriaria.
     Ankizigasy toy izao,
     Zanaky ny fako antsena, andosiran'ny mpitia.


4-Aharo aminao in-dray   (in-dray mandeha monja)
    Izany tsy mahita lamba ao anivon'ny ririnina
   Dia ho tsapanao fa hay,
   Ilay ankizy feno tsiny! Mila indrindra ny tsimbinina


5-Fa aina toa anao ireny 
    Ka mahalala maharary sy        mandre mangirifiry
   Aina koa no miteny
   Fa ny olo-maro lasa: "ny nijery moa mba firy?"


 


miverina eny ambony

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
ROHY  
 
NY BAIBOLY MALAGASY
BAIBOLY KATOLIKA
BIBLE POUR ENFANTS
BIBLE:texte intégral
100% QUESTIONS
MILALAO

MAHALIANA

 
VAOVAO  
 
 
Mitady amin'ny GOOGLE  
 

Logo Google

 
 
 
Conjugaison Française :